Dr Marius Ramaroson

«Efa tsotra kokoa izao ny fomba fitsaboana gripa»


  • Alarobia 22 Mey 2024

Ny tsikaritra, hoy ny dokotera mpitsabo, Dr Marius Ramaroson, dia ny aretin’ny taovam-pisefoana izay miditra

amin’ny vava sy orona ary midina any amin’ny tratra dia maharitraritra tato ho ato. Taloha raha nahita isika dia 3 na 4 andro, hoy izy, dia sitrana ny gripa fa amin’izao mandritry ny herinandro na mihoatra dia mbola mitaraina foana ilay marary. Mbola mahatsiaro reraka. Tsy COVID io satria ny COVID efa misy soritra mazava hamantarana azy. Efa mora hita sy mila karazana fanafody manokana koa iny. Heverina ho isan’ny mitondra aretina io fiovaovan’ny toetry ny andro sy loto eto Antananarivo io. Tian’ilay aretina koa ilay mangatsiaka ka ireo rehetra ireo mitambatra no isan’ny mampaharitra ilay aretina. Karazana gripa mahazo hery hafa angamba io. Ohatrany hoe mahazo hery vaovao. Tsy dia tsara izao ny mihinana zavatra mangatsiaka be. Ankoatran’izay dia fiarovana koa ny arotava sy fanasana tanana araka ilay efa natoro tamin’ny COVID ihany. Efa tsotra kokoa izao ny fomba fitsaboana gripa, hoy hatrany ity mpitantana ny klinika Saint Thomas Faravohitra ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT