Dr Marius Ramaroson

«Be dia be ny karazana areti-tratra,


  • Alarobia 05 Novambra 2025

manatona Dokotera vao misy fambàra!»

Rehefa milatsaka ny orana sy ny rivotra entiny dia mitondra ny antsoina hoe «allergène» na fihetsehan’ny zavatra tsy mety amin’ny vatan’olombelona, hoy ny Dokotera mpitsabo, Dr Marius Ramaroson. Izay, hoy izy, isan’ny mampihetsika aretin’ny lalan-drivotra amin’izao fotoana izao. Isany koa izany ny «allergie» na tsy fahazakàna fiovàna iray. Ireny olona misoika tratra ireny izao mbetika mihetsika rehefa toy izao. Manaparitaka zavatra tsy zakan’ilay olona izany ny orana milatsaka. Mampihetsika ny areti-tratrany iny. Miha maloto koa ilay rivotra. Rivotra azo avy amin’ny setroka isan-karazany io, setroky ny doro tanety, setroky ny fiara, setroky ny entona mandatsa-dranomaso tamin’ireny hetsika farany teo ireny. Mahatonga ny loton’ny rivotra eto Antananarivo ho ambony dia ambony ireny, ohatra, dia rehefa alainao sary ilay izy dia toy iny zavona be iny. Miantraika amin’ny tratra daholo ireny. Mizara telo ny areti-tratra. Eo ny amin’ny faritra ambony. Anatin’izay ny mikasika ny tenda, orona sy ny namany. Manarakaraka azy ny mahavoa ny lalan-drivotra ary amin’ny fantsona mitondra ilay rivotra mankàny amin’ny avokavoka no faha 3. Io fantsona io koa misy isan-karazany. Raha mikainkona io dia ireny mahatonga asma ireny. Ny midina any ambanimbany indray, sempotra mihitsy ilay olona. Rehefa tonga any amin’ny avokavoka iny dia miseho amin’izay ny fahasemporana mila fanampin-drivotra na «oxygène». Ilay rivotra mikainkona mbola zakan’ilay olona ihany fa ilay izy manempotra mankany amin’ny avokavoka tsy zakany intsony. Tsy maintsy miditra hopitaly iny. Voatsabo eto Madagasikara daholo, raha ny hita hatreto aloha, ny karazana areti-tratra. Ny tsikaritra amin’ny fanaon’ny olona amin’ny areti-tratra dia tsy manatona Dokotera izy rehefa hitany hoe zakazakany eny ilay izy. Efa sempotra be izy matetika vao manatona Dokotera. Ny tena marina, vao misy fambàra mipoitra dia tokony hanatona Dokotera ihany satria be dia be ny karazana areti-tratra. Manatona Dokotera vao misy fambara ahafahana mamantatra ny anton’ilay aretina, hoy hatrany ity mpitantana ny Klinika Saint Thomas etsy Faravohitra ity!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT