Matoa ny karazan’aretina iray mirongatra dia nihena izay ny
fampahafantarana ny momba azy, hoy ny Dokotera mpitsabo, Dr Marius Ramaroson. Tsy idirantsika, hoy izy, ny hoe tsy nisy tetibola mikasika an’izay ve sa inona no antony fa ny Sida izao, raha nahatadidy isika, dia nisy fotoana nisy Tam tam be momba izany mihitsy taloha. Nozaraina fotsiny ny kapoty. Misy karazana aretina mitombo mihitsy amin’izao fotoana izao eto Madagasikara. Io Sida io izao avy amin’ny «virose», izany hoe otrikaretina mahery vaika. «Virose» daholo ireny COVID, Chikungunia, Dingue,Ebola ireny. Misy ilay aretin’ny biby mifindra amin’ny olona. Io dia mampihena ny hery fiarovana anatin’ny olombelona. Misy olona ohatran’ny tratran’ny gripa dia malemy ny tapany ambany vokatr’izay izao. Miresaka «Virose» izay ihany isika dia isan’ny namono olona be ny otrikaretina na «virus» «Ravière». Aretin’ny vorona mifindra amin’ny olona io, izany hoe, be dia be izao ny «virus» mandeha aty Afrika! Fantatra ny fisian’ireo saingy mbola azo lazaina hoe zava-baovao dia sarotra, noho izany, ny mamaritra ny fomba entina miady aminy. Nitazatazanina fotsiny izao ny COVID tamin’ny voalohany fa rehefa natao ny fitiliana razana na «autopsie» tamin’ireo namoy ny ainy vao fantatra hoe izao izany no fomba fitsaboana an’ity. Ny mikasika ny Sida izany amin’izao dia tena tsy mahafantatra mihitsy ilay olona dia lasa ohatrany manaotao foana. Aretina avy amin’ny tsiranoky ny olombelona ny Sida. Izay no mifindra ary io tsiranoka io, raha ny tena marina, dia malalaka be ny zavatra idirany. Ohatra hoe firaisan’ny lehilahy samy lehilahy. Misy faritra maratra idiran’ny tsiranoka lehibe vao mifindra ny Sida. Ny tena olana amin’io aretina io koa dia hoe mety efa herinandro maro ilay izy no tao amin’ilay olona tao fa tsy mahafantatra izy hoe voa ny tenany. Efa miseho ny aretina matetika vao taitra ilay olona. Azo tsaboina tsara nefa ny Sida, hoy hatrany ity mpitantana ny klinika Saint Thomas ity. Nisy moa ny talata teo ny fanairana nataon’ireo fiarahamonim-pirenena mikasika ny firongatr’izay aretina Sida izay eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao nefa toa tsy misy mpiresaka, hoy izy ireo, fa variana tamin’ny COVID sy ny tariny isika.
Nangonin’i J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.