Fahasalamana

Dr Manitra Rakotoarivony « Raha azo atao dia aza mitangorongorona mihitsy aloha »


  • Alarobia 30 Novambra 2022

Fotoanan’ny fitangorongoronan’ny olona ny ankatoky ny fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona tahaka izao.

Etsy an-daniny anefa efa nahitana olona iray matin’ny valan’aretina COVID 19 sahady tato anatin’ny herinandro izao izany hoe : nanomboka ny 19 ka hatramin’ny 25 novambra teo. Nisy ihany koa ireo olona 5 tratry ny forme grave raha manodidina ny 205 ireo marary tsotra ka ny 172 amin’ireo dia eto amin’ny Faritra Analamanga avokoa. Miantso ny rehetra mba samy hitandrina ny fahasalamany araka izany Dr Manitra Rakotoarivony, talen’ny fampiroboroboana ara-pahasalamana eo anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Tsy ny havokavoka ihany mantsy no henjehin’ity areti-mandoza ity hoy izy fa eo ihany koa ny atidoha sy ny tsinay, antony mamparary mafy ny loha sy ny kibo. Raha azo hatao araka izany hoy izy dia aleo hajanona mihitsy aloha ilay fitangorongorona. Ho an’ireo mahatsiaro tsy fahasalamana tampoka toy ny havizanana be, manavy, manakotsako vanin-taolana dia nomarihiny fa tsara raha manatona eny amin’ny Village Voara avy hatrany manao fitiliana. Manomboka amin’ny 08 ora maraina dia efa mandray ny eny an-toerana hoy izy ka hatramin’ny 04 ora hariva.
Pati
Legende : Dr Manitra Rakotoarivony, talen’ny fampiroboroboana ara-pahasalamana eo anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT