Fahasalamana

Dr Manitra « Manaova arotava, hajao ny elanelana »


  • Zoma 04 Desambra 2020

Ahiana ny mety hisian’ny andiany faharoa amin’ny areti-mandoza Covid 19 any

 

 

Antsiranana. Am-polony mantsy ireo mpianatry ny anjerimanontolo efa voa amin’izao fotoana izao, raha araka ny vaovao niely hatramin’ny omaly. Ho an’Antananarivo kosa anefa raha araka ny fanazavan’ny dokotera Manitra Rakotoarivony, talen’ny fampiroboroboana ny fahasalamam-bahoaka eo anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamana dia mbola tsy misy atahorana izany. Mila mitandrina tsara fotsiny ny rehetra hoy izy amin’ny fanajana ny fepetra ka anisan’ireny ny fanaovana aron-tava mandrakariva, ny fanajana ilay elanelana iray menatra ary ny fampiasana gel hahosotra amin’ny tanana. Ho an’Antsiranana manokana moa izay ahitana an’i Nosy be dia tsiahivina fa efa nanokatra ny sidina mankany ivelany izy ireo nanomboka ny volana Oktobra lasa teo. Tokony hotandrovana fatratra araka izany ny tsy hiparitahan’ny valan’aretina na dia mafana aza ny andro. Eo an-daniny efa maro amin’ireo mponina any an-toerana no tsy manao aron-tava intsony.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT