Fahasalamana

Dr Jo “Zazakely herintaona izao dia tratran’ny homamiadana”


  • Alakamisy 25 Aogositra 2022

Mila fitsaboana ny firenentsika, hoy ny dokotera mpitsabo sady mpahita, Jean Pierre Jo Rakotoarisoa na Dr Jo.

Isaorana Andriamanitra mbola nanome fahagagana ahafahana manao fanasitranana fa na eo aza ny talenta dia mba heritrereto hoe olona efa potika, mivoaka nana, voan’ny homamiadana mbola sitran’ny tena ihany, hoy izy. Tsy noho ny heriko izany fa noho ny herin’i Jesosy. Hitety faritra izahay hampahafantatra ny olona hoe inona no atao hoe homamiadana satria be dia be izao no voan’io aretina io eto Madagasikara. Firifiry no miantso ahy manerana an’i Madagasikara? Tafiditra anaty loto maro ny ankamaroan’ny taranantsika izao. Eo ny fahavetavetana sy fijangajangana. Eo ny loto ara-tsakafo. Be dia be. Miala tsiny amin’ny mpitondra fanjakana aho. Ny fitondram-panjakana nifanesy teo nanana ezaka fa ny fahitako azy dia be dia be ny zavatra tsy nety. Be dia be ny zavatra tsy voafehy dia izao miparitaka izao ilay izy. Zazakely herintaona izao dia efa tratran’ny homamiadana. Andao isika hifankatia sy hiray hina dia hiady amin’izao fahantrana sy aretin-dratsy izao satria niakatra be koa izao ny tahan’ny voan’ny SIDA. Ny SIDA dia homamiadana. Izay no mahatonga azy tsy sitrana io. manan-karena ara-boajanahary maro isika ary izahay mpitsabo dia manao fikarohana amin’ireo zava-maniry harentsika ireo. Ny vahoaka tsy an’asa sy sahirana koa anefa be dia be ary mampalahelo. Izahay moa dia mangataka amin’i Jesosy foana hoe mba omeo mpitondra hendry ity firenenay ity, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT