Dr Jean Claude Ratsimivony

«Zava-doza ho an’ny avokavoka io fako miparitaka io»


  • Alarobia 28 Febroary 2024

Be dia be ny mety ho fiantraikan’io tsy filaminana eo amin’ny lafiny zoridira io,

hoy ny filoha tale jeneralin’ny vondron’orinasa medikaly JCR, Dr Jean Claude Ratsimivony. Mety ara-pahasalamana, hoy izy. Mety eo amin’ny tontolo iainana koa. Manapotika sy mandoto ny any anaty tany any izy. Zava-doza ho an’ny avokavoka io fako miparitaka io, indrindra, raha eo amin’ny lafiny fahasalamana amin’izy fohantsika iny. Ny zoridira dia loto na fako miha maka faka ary ny fifangaroana aterany iny no tena zava-doza na «toxique» ho an’ny olombelona, ho an’ny avokavoka. Mandeha any anaty tany koa iny fako iny ary miparitaka mahazo hatrany amin’ny fambolena, ny rano sotroina dia mazava ho azy fa mahavoa ihany koa ny any amin’ny vatana. Manimba ny fiarahamonina, ny endriky ny tanàna ihany koa ary azo lazaina fa ny fako no mahakivy ireo vahiny mandalo ao amin’ilay tanàna rehefa tonga amin’ilay toerana izy ireo. Tanàn-dehibe no misy anao dia feno fako. Tokony mba hisy izany fahatsapan-tena maha olompirenena avy amin’ny tsirairay avy aloha hanadio ny eo an-tokontanim-baravarany. Miara-mientana ny fokontany sy ny fokonolona hanadio izany satria izy ihany no ho voany eo raha tsy misy izay fiaraha-miasa eo amin’ny fitondram-panjakana sy vahoaka izay. Avy eo koa io mbola mitarika biby toy ny voalavo sy ny tariny izay mitondra pesta sy aretina isan-karazany. Ohatran’ny hoe misakafo ianao dia tsy misy lalana ivoahan’ilay sakafo fa tsentsina daholo dia ohatran’izay koa io fako io raha tsy esorina faran’izay haingana. Zava-doza ho an’ny vatana sy ny mpiara-belona ilay izy. Arakaraky ny fijanonan’io fako io maharitra eo no mampitombo ny otrikaretina na valanaretina entina. Lasa ivontoeranana aretina mihitsy izany io raha mijanona ela eo amin’ilay toerana. Izay no tsy maintsy ilana ny fanadiovana isan’andro na isaky ny 2 andro fa tsy hajanona elabe, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT