Fahasalamana

Dr Fidy Bariniaina “Tsy lojika ny hisian’ny fihibohana indray”


  • Alakamisy 10 Novambra 2022

Raha miakatra tsikelikely ankehitriny ny tahan’ny olona voan’ny Covid 19 dia mbola manaraka ny fivoarany hatramin’izay izany ilay izy, hoy ny dokotera mpitsabo, Dr Fidy Bariniaina.

Janoary, raha tsy diso aho, hoy izy, no nisy PIC farany. Maharitra 8 hatramin’ny 10 volana, mety herintaona mihitsy izany izao io fandalovany amin’ny olona rehetra io ka rehefa tapitra andalovany daholo dia midina indray ilay taha. Mamorona hery fiarovana ny vatan’ilay olona ao anatin’izay 8 hatramin’ny herintaona izay. Tsy dia hatahorana hameno hopitaly intsony io satria efa miha mitombo foana izay hery fiarovan’ny olona izay na ilay valanaretina mihitsy no miha malefaka hatrany dia tsy mitranga intsony ireny zava-nisy niainantsika tany am-boalohany ireny. tsy lojika koa noho izany ny hisian’ny fihibohana indray. Ny mety hanohitra an’izay fotsiny dia ny fisiana endriny na “variant” vaovao mety mafimafy, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT