Fahasalamana

Dr Fidy Bariniaina “Tsy afaka hihidy mandava-taona isika”


  • Zoma 08 Oktobra 2021

Na efa nihena aza ny tranga vaovao amin’ny Coronavirus dia entanina foana isika hanao arovava orona, hoy ny dokotera mpitsabo, Dr Fidy Bariniaina.

Entanina isika hanao vakisiny, hoy izy. Mafana izao ny andro. Tonga indray ny moka. Tonga indray ny tazo no dikan’izany. Ady amin’ny tazomoka sy ny moka izany izao no atao. Totofana ny rano miandrona manodidina ny trano. Esorina ny lobolobo. Tsy adino ny mampiasa lay sy manidy varavarana rehetra mialohan’ny andrehetana jiro. Aleo manatona dokotera vao misy trangana fanaviana. Eo koa ny areti-kibo izay ilana fahadiovan’ny tanana, indrindra, ho fiarovana amin’izany. Tsy afaka hihidy mandava-taona isika fa tsy maintsy hisokatra io sisintany io atsy ho atsy. Ny firenen-kafa mandroso manana ny ampy sy manan-kohanina no afaka mihidy mandava-taona. Isika mila manondrana sy manafatra entana. Tsy nandripaka olona betsaka, raha ho an’i Afrika amin’ny ankapobeny ny Covid 19. Tsy maintsy naka ny fepetra rehetra fotsiny isika, noho ilay izy aretim-baovao izay mbola tsy hay ny fivoarany, hoy hatrany izy.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT