Dr Fidy Bariniaina

“Entanina ny fampiasana lay”


  • Alarobia 06 Desambra 2023

Efa somary milatsaka ny tarehimarika mikasika ny gripa amintsika

miresaka izao raha nirongatra izany tao anatin’ny 3 herinandro teo, hoy ny dokotera mpitsabo, Dr Fidy Bariniaina. Hita izany rehefa mijery ireo marary manatona anay ety amin’ny tobim-pahasalamana, hoy izy. Misy fotoana moa ny gripa mirongatra amina vanim-potoana manokana sy faritra voafetra fa tsy voatery hoe manerana an’i Madagasikara. Antananarivo renivohitra no resahantsika dia toy ireny mahazatra ireny no fisehony. Mety harary an-doha, manakotsako ny vanin-taolana, mety hisy fanaviana, malain-komana, reradreraka. Izao vanim-potoanan’ny orana izao koa mahavelona ny moka. Eo koa izany ny tazo ateraky ny kaikitry ny moka. Totofy ny rano miandrona manodidina ny tanàna! Amin’ireny ny moka no manatody. Esory ny lobolobo manodidina ny trano satria amin’ireny no miafina ny moka amin’ny atoandro. Idio ny varavarana rehetra amin’ny hariva vao mandrehitra jiro! Misintona moka ny hazavana. Entanina koa ny fampiasana lay. Manatona toeram-pitsaboana rehefa misy fambara hafahafa, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT