Fahasalamana

Dr Edmond Rakotomalalala “Niandry kely aloha aho vao namaly ny antson’ny Filoha”


  • Alarobia 14 Aprily 2021

Vahiny manokan’ny fahitalavitra Real TV ny Dr Edmond Rakotomalala omaly.

 

 

 

Nianatra ho mpitsabo teny amin’ny anjerimanontolo ary nivoaka tamin’ny taona 1986 izy raha ny voalazany. Nandalina manokana momba ny zava-maniry avy eo, ary 34 no efa nanaovany izany. Ny fianarana tao amin’ny “médicine” dia mianatra ny fanafody voavoatra, ary ny nenti-paharazana dia mandalina ny hoe ahoana ahafahana mampiasa ny zava-maniry ho fitsaboana. Nambarany fa mpikambana ao anatin’ny ANTM Fikambanan’ny Mpitsabo nenti-paharazana izy, ary efa nahazo fanamarinana manokana tamin’ny Minisiteran’ny fahasalamana, efa nihaona tamin’ny Filoha,… “Manana lalàna sy fehezin’ny lalàna ny tanintsika, ka mba tsy hiteraka fanapoizinana sy fanaotaovana foana dia tokony handalo fenitra ny zavatra ampiasaina. Izaho tsy hanaotao foana, fa hamariniko ara-tsiansa amin’ny alalan’ny laboratoara miisa 3 aloha vao mahatoky ny tenako aho”, hoy io mpitsabo io. Ny filoha dia nomen’Andriamanitra hitsabo sy hiaro ny vahoaka ao anatiny, ary izaho dia nomen’Andriamanitra hitsabo izay mino sy mahita, hoy hatrany I Dr Edmond. Nambarany fa tena misy ny ravin-kazo sy ny fakan-kazo eto amintsika tena afaka hitsaboana ny valanaretina, ny tsimokaretina, ny homamiadana,… eto Madagasikara.

“MISY IREO SINGA MIFANANDRIFY AMIN’NY CORONAVIRUS”

 Ilay ravina hitako rehefa nojerena tamin’ny laboratoara, dia nahitana “saponozide, flavonoide, polifenole,…”, dia tena mifanandrify amin’ity karazana aretina lalovantsika ity, hoy izy. Efa tonga ao an-tsaiko ny fanafody ho an’ny aretina dimbin’ity coronavirus ity, izay mbola hojerena. Izay no nahatonga ahy niandry vao namaly ny antson’ny Filoha. Nohamariniko ara-tsiansa, ary rehefa voamarina dia hamidy amin’izay. Betsaka ny kazaran’olona sitrako tamin’ity fanafody ity. Ny tenako mandritra ny andro-pianako dia hanasoa ity firenena ity, entika amban’ny lalàna fa tsy hanaotaovako foana, hoy ity Mpitsabo nalaza be tato ho ato ity.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT