Fahasalamana

Dr Domoina Soakanto Rakotonoely “Misarika AVC ny sakafo tian’ny Malagasy ankehitriny”


  • Alakamisy 28 Janoary 2021

Na ny olon-dehibe na ny ankizy dia mety ho tratry ny antsoina hoe “Accident vasculaire cardiaque” na AVC,

 

 

 

 amin’izao fotoana izao, hoy ny fanazavan’ny dokotera mpitsabo, Domoina Soakanto Rakotonoely.

Ireo  fitrangany

Ao ilay tsentsina any amin’ny fandehanan’ny ra anaty atidoha. Misy koa ilay “accident hémorragique” izay fivakisan’ny lalan-dra any amin’ny atidoha hatrany. Samihafa no antony. Ny olona efa mihoatra ny 60 taona no tena tratran’izy io fa misy ankizy kely taona koa satria mety mifandray amin’ny fifandovana ilay izy. Misy ny karazana haretim-po. Isan’ny antony daholo izany. Ny tena betsaka amin’izao dia ambony loatra ny tosidra ary tsy voatsabo tsara na natao tsinontsinona. Ny gasy izao lasa tendan-kanina daholo amin’ity karazan-tsakafo be “cholestérol” loatra ity. Be menaka loatra ilay sakafo hoanina dia matavy rano tsy misy dikany daholo. Mora voan’izy io koa ny olona diabetika.

Inona no tokony atao

 Ilaina noho izany ny fanaovana fanatanjahantena. Ny fandanjana ny sakafo hoanina. Tokony ialana koa, hoy hatrany ny tenany, ny tsy fihetsehana tafahoatra satria ireny no tena mora andairan’ny rarin-tsaina. Tandremo koa ny finanana fanafody manala fanaintainana satria miteraka fitosahan-dra any amin’ny atidoha. Marobe, hoy hatrany izy, ary marina koa ny hoe isany mahatonga izany ny fitotonganam-piainana tampoka saingy aleo tony sy mitsikitsiky lava foana na inona mitranga hisorohana io aretina io.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT