Dokotera Rakotonoelina Domoina

« Miteraka aretina maro fihinanana Vitamina C be loatra »


  • Alakamisy 05 Jona 2025

Tafiditra tanteraka ao anatin'ny vanim-potoanan'ny ririnina isika ankehitriny,

fotoana mampirongatra ny aretin'ny taovam-pisefoana. Lohalaharana amin'izany ny gripa sy ny kohoka izay marihina fa tena tsy mifidy taona tokoa. Tsy vitsy ireo olona mihevitra araka izany fa ny fihinanana fanafody mampiakatra hery fiarovana no tena vahaolana ho enti-miady amin'izany ka anisany ny Vitamina C. Tena miteraka aretina maro anefa ny fihinanana Vitamina C diso tafahoatra raha araka ny fanazavan'ny dokotera Rakotonoelina Domoina. Mararirary hatrany ny kibo ary mety mivalana mihitsy ilay olona, maloiloy lava, mety hisy olana ihany ny voa, mety mampihetsika ny goty ihany koa....Vahaolana hatorony ny rehetra araka izany ny tokony hakana ny Vitamina C any anatin'ny sakafo toy ny fihinanana voankazo miloko mavo ohatra. Tokony hofadiana kosa hoy izy ny mihinana Vitamina C fahatany tsy nahazoana alalana avy amin'ny dokotera.
Pati
Légende : Ny dokotera Rakotonoelina Domina !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT