Dokotera mpitsabo biby

Tena antoky ny fanajarian-tsakafo sy ny fahasalamana


  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nomarihina ny sabotsy 25 aprily 2026

teo teny teny amin'ny Sekoly momba ny veterinera teny Ambatobe ny andro maneran-tany ho an'ny veterinera, nisafidianana ny lohahevitra: "Dokotera mpitsabo biby : Antoky ny fanajarian-tsakafo sy ny fahasalamana". Nentina ihany koa nanokanana ofisialy ny Clinique Universitaire Vétérinaire na ny CUV, voalohany eto Madagasikara. Nisy koa ny famoahana andiana mpianatra mpitsabo biby. "Endriky ny fanavaozana ny fampianarana veterinera satria manatevina sy manamafy ny fahaizan'ny veterinera rehetra hisehatra sy hiasa eto Madagasikara", hoy ny Minisitry ny fiompiana Randrianomenjanahary Riana Nantenaina. Zava-dehibe sy hevi-dehibe moa ny "sécurité alimentaire" amin'ny alalan'ny hoe ara-pahasalamana ny sakafo hoanin'ny Malagasy, ka raha mihinana atody ohatra ny olona dia tsy tokony hanana ahiahy hoe hankarary azy io, mihinana ronono na iaorta na frômazy tsy tokony hanana ahiahy,... Namafisin'ny Minisitry ny fiompiana noho izany fa ny asa veterinera, dia fiarovana ny fahasalaman'ny olombelona avokoa. Tafiditra ihany koa ny fiarovana ara-pahasalamana toy ny fisian'ny aretina avy amin'ny biby toy ny saka sy ny alika tsy tokony hifindra amin'ny olombelona. Hatreto, tsy ampy ny veterinera eto Madagasikara, saingy manao ny ezaka mampitombo miandalana ny veterinera vokarina eto Madagasikara kosa ny Fanjakana. Taloha tena nila nandeha nianatra tany ivelany manao fianarana azy io, fa amin'izao 30-35 taona isan-6 no mivoaka eto, ary fanamby raha sitrapon'Andriamanitra dia hiakatra 60-70 isan-taona afaka herintaona na roa taona eo. "Ohatran'ny nambaniana hatramin'izay ny asan'ny veterinera satria biby no tsaboina, kanefa tsy marina izay fomba fijery izay. Ny tena marina, amin'ny alalan'ireo biby ireo, dia ny olombelona no tena karakaraina satria raha nihinana vokatra avy amin'ny biby na nikasikasika biby dia tsy tokony harary", hoy hatrany ny Minisitry ny fiompiana. Mazava ho azy fa ny fahasalaman'ny olombelona no tanjona ao anatin'izany, ka tsy tokony hapetraka intsony ny hoe manan-danja sa tsy manan-danja ny asana veterinera. Raha nisy ohatra ny COVID izay avy amin'ny biby nakany amin'ny olombelona, ny gripa espaniola izay avy amin'ny akoho,... izay nandripaka olona maro. Noho izany, amin'izao vanin'andro izao dia tsy tokony ho adihevitra intsony hoe inona ny andraikitra na tsy andraikitry ny veterinera, fa tokony ho efa miaina sy mampihatra ny fahaizana nianarana, dia samy manao ny asa tandrify azy ny tsirairay.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Mpitsabo nentim-paharazana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

«Mitaraina ho tian’ny olafitry

  • TONGA HATRANY
  • Talata 28 Aprily 2026

MAHAJANGA NY AMBALAVELONA

  • Mpox eto Madagasikara
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tafakatra 2139 ny tranga

  • AMBOHIJAFY FENOARIVO-MANDRITSARA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Tovovavy maromaro tratran'ny ambalavelona

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

Hijery ny tohiny
FTT