Fahasalamana

Dokotera Feziny 20 taona nanampiana ny mpiara-belona


  • Zoma 04 Martsa 2022

Feno 20 taona amin’ity taona 2022 ity ny naha-mpitsabo an’ny dokotera Seraphine Feziny Fernand, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Centre Marie Stella etsy Analamahitsy.

Hetsika maro sosona no entiny hanamarihana izany hanampiana ny mpiara-belona. Amin’ny ankapobeny tokoa mantsy dia saika manao ambin-javatra ny resaka fitsaboana avokoa ny ankamaroan’ny olona raha araka ny fanazavany. Io fitsaboan-tena io anefa hoy hatrany izy dia hiankinan-javatra marobe tokoa toy ny fahafahana miasa sy mamokatra ara-dalana, ny fananana aina sy hery hikarakarana ny ankohonana, ny fitomboan’ny taham-pahavelomana…. Hisy ny hetsika karakarain’ny dokotera Feziny sy ny ekipany araka izany. Fihenam-bidy hatrany amin’ny 20% no omeny ireo tsy salama rehetra tonga manatona azy ao amin’ny centre ao anatin’izany fankalazana izany. Arahina fampianarana sy toro-hevitra momba ny fahasalamana ao anatin’ny tambajotran-tserasera facebook izany hanampiana ny mpiara-belona mba hanana toe-pahasalamana milamina sy mirindra.
Pati
Legende : Dokotera Feziny manam-pahaizana manokana amin’ny fitsaboana ny aretina diabeta sy ny tosi-dra
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT