Fahasalamana

Dokam-barotra momba ny fanafody Misy fepetra tsy maintsy arahana


  • Alarobia 07 Jona 2023

Olana lehibe tao anatin’ireny savorovoro niseho teo aloha mikasika ny fitsaboana nentim-paharazana ireny ny fisiana dokam-barotra isan-karazany izay voalazan’ny lalàna fa tsy tokony ho atao,

hoy ny Dr Ratovoson Andriamihaja, lehiben’ny sampan-draharaha misahana ny fitsaboana nentim-paharazana sy zavamaniry fanao fanafody ao amin’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka, nandritry ny fivoriamben’ny fikambanan’ny mpitsabo nentim-paharazana tetsy Mahamasina omaly. Misy lalàna mifehy toy izany koa ny fanafody nentim-paharazana, hoy izy. Tokony hanatona ny fitaleavana misahana izany raha mikasa hanao dokam-barotra momba ny fanafody satria misy fepetra arahana io. Misy sazy mifanandrify amin’ny fanaovana dokam-barotra tsy marina ao anatin’ny sata mifehy ny fifandraisana na «code de la communication médiatisée», hoy hatrany ny tenany.
(Sary fanehoana)
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT