DISTRIKAN’IKONGO

Olona 30 isa matin’ny aretina tsy fantatra


  • Talata 20 Mey 2025

Olona miisa 30 no fantatra fa matin’ny aretina tsy fantatra tany amin’ny distrikan’Ikongo.

Malemilemy dia mamaibe ireo olona ireo hoy ny vaovao azo. 9 volana no zandriny indrindra raha mihoatra ny 80 taona no zokiny indrindra ka ho an’ny ankizy dia 3 andro eo ho eo ihany izy ireo dia efa mamoy ny ainy raha vantany vao tratran’ilay aretina. Maharitra herinandro kosa izany ho an’ny olon-dehibe. Raha araka ny loharanom-baovao azo hatrany moa dia ny 10 tamin’izy ireo no fantatra fa voan’ny tazo mahery. Ny 20 isa ambiny kosa mbola tsy fantatra izay tena nahazo azoy. Rehefa nanontaniana ny mikasika ity tranga ity moa ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka dia fantatra fa vao hanao fanadihadiana lalina izy ireo hamantatra izay antony nahafaty azy 20 mianaka ireo marina. Mikasika ny aretina tazomoka dia fantatra fa anisan’ny antony mahafaty ny olona any Ikongo ny halaviran’ny tobim-pitsaboana. Misy mahavita mandeha dia an-tongotra mandritra ny 24 ora ny sasany vao mahita izany nefa ny lalana koa ratsy sady atahorana ny tsy fandriampahalemana. Maika ny fandraisana andraikitry ny Fitondram-panjakana manoloana izany.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT