Olona 15 isa no fantatra fa mitondra ny tsimok'aretina VIH/SIDA
any amin'ny distrikan'i Betroka. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia zaza 4 taona no zandriny indrindra lasibatr'ity aretina ity raha olon-dehibe 49 taona no zokiny indrindra amin'izy ireo . Anisan'ny antony mahatonga ity areti-mandoza ity raha tsiahivina ny hamaroan'ireo mpivaro-tena any amin'iny faritra Atsimon'ny Nosy iny indrindra fa ny ao Toliara. Vao 12 taona monja ireo zazavavy kely any an-toerana dia tsy mety mianatra intsony fa miroso amin'ny asa fivaron-tena miaraka amin'ireo teratany vahiny tonga any amin'iny faritra iny noho ny fahasahiranana. Manampy trotraka izany ireo tovovavy tsy an'asa marobe miparitaka eran'ny tanana. Ankoatra ireo 15 isa fantatra fa voan'ny SIDA ao Betroka ireo moa dia mbola maro ireo ahiahiana saingy tsy mety manao fitiliana. Miantso ny rehetra mba ho mailo araka izany ireo tompon'andraikitra any an-toerana indrindra fa ireo tsy mijanona amin'ny olon-tiana na vady tokana.
Pati
Légende : Ny hamaroan'ny mpivarotra tena eto Betroka no tena olana !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.