Fahasalamana

Dingana goavana amin’ny sehatry ny fitsaboana Olona iray nahatohitra ny aretina SIDA


  • Alarobia 06 Martsa 2019

Nambarana vondrona manampahaizana tany Seattle Etazonia omaly talata 5 martsa fa nisy olona mitondra ny otrikaretina VIH/ SIDA ka nandresy izany.

 

 

 

 

 Ity no olombelona faharoa voaporofo ara-tsiantifika fa nahatohitra ity areti-mandoza tsy mbola nahitana vaksiny fanefitra ity. Efa nisy olona iray tany Berlin (Allemagne)  folo taona lasa izay nahatohitra ny SIDA, izao indray dia nisy olona hafa izay raha ny fantatra dia nanaraka fitsaboana tany Londres (Grande Bretagne). Ny mampitovy ireto olona roa ireto izay notazonina ho tsiambaratelo moa ny mombamomba azy ireo dia noho izy ireo samy nanaovana fandidiana manokana mba hanoloana ny tsokan-damosina. Ka raha ny fanadiihadiana sy ny fanazavana azo dia ny tsokan-damosina nampidirina tao amin’izy ireo no nanana singa nahavita nanohitra ny VIH/SIDA. Tsy azo ambara anefa hoe sitrana tanteraka izy ireo, saingy salama, tsy farofy ary afaka miaina tsara tahaka ny olon-drehetra na dia voan’ny SIDA aza. Tsy hita intsony ilay otrikaretina rehefa natao ny fitiliana. Maro no velom-panantenana ny amin’izao ambara fa dingana iray goavana amin’ny fitsaboana ny SIDA izao, izay mamely olona 37 tapitrisa maneran-tany.

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT