Fahasalamana

Diky miparitaka Mahatonga aretina maro toy ny lefankozatra


  • Zoma 12 Mey 2023

Marobe ireo karazan’ aretina ateraky ny tay na ny diky miparitaka etsy sy eroa eny anivon’ny fiaraha-monina. Mbola betsaka anefa ireo tsy mahalala izany.

Anisan’ireny ny kôlerà , « dysenterie » , ny tifoidra, ny kankatsinay , ny bilariziozy , ny sakoitra ary ny voavary. Eo ihany koa ny aretina lefakozatra na Polio izay mbola mahazo ny zaza Malagasy maromaro hatreto. Mbola nahitana trangan’aretina 200 isa mantsy teto amintsika tamin’ny taona 2022 izay tsiahivina fa mampalemy ny zaza tampoka ka tsy hahafahany mamindra ara-dalana. Miantso ny rehetra mba hifanome tanana araka izany ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka hahafahana misorohana ireo karazan’aretina ireo. Tsiahivina moa fa zaza miisa 384 305 any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana no ezahina hovitaina vaksiny amin'ity taona ity hiadiana amin'ny aretina Polio.Hotanterahina ny 16,17,18,19 mey ho avy izao izany fanaovam-bakisiny faobe andiany voalohany izany ho an’ity faritra ity ho fiadiana amin'ny aretina lefakozatra na polio izany.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT