Fahasalamana

Didimpoitra Efa azo atao amin’ny vanim-potoana rehetra


  • Alarobia 31 Mey 2017

Efa azo atao amin’ny vanim-potoana rehetra misy ny didim-poitra, araka ny fanazavan’ny dokotera Fidy Bariniaina fa tsy voatery ho amin’ny vanim-potoanan’ny ririnina tahaka izao ihany.

Vao teraka  koa ny zazalahy kely iray dia efa azo atao. Ny tena idealy dia rehefa mahatandrin-tena tsara ilay zaza. Tsy voatery ho maraim-be ihany koa no fotoana safidian’ny ray aman-dreny hanaovana ny hasoavana fa na dia amin’ny antoandro aza dia mety. 30.000 Ar ny sarany ankehitriny ho an’ity dokotera iray ity hatrany raha 80.000 Ar kosa ny tsy milahatra fa sur “rendez-vous”. Hatreto dia ny famorana amin’ny fomba amerikanina no tena mampiavaka ny dokotera Fidy Bariniaina izay nomarihiny fa ny fitaovana hampiasaina sy ny fanomanana izany no tena mampiavaka azy. Tsy mandeha  ra ihany koa ny fery sady afaka manao pataloha avy hatrany ny zaza. Nomarihiny manokana fa anisan’ny tombony amin’ny  fanaovana famorana ho an’ny lehilahy ny fialan’ilay lohatsitsy izay mety mitahiry fofona sy aretina raha tsy afaka, indrindra fa ireo karazana aretin-dratsy azo avy amin’ny firaisana ara-nofo ho an’ny olon-dehibe. Na dia ireo lehilahy afrikanina aza dia efa mifora hisorohana ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo sy ny loto mety hivangongo.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

KandidĂ  miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT