DIDIM-POITRA FAOBE

Zazalahy kely miisa 128 no nahazo tombontsoa


  • Zoma 14 Jona 2024

Efa mahatratra 200.000 Ar amin’izao ny manao didim-poitra ho ana zazalahy kely iray

eny anivon’ireo tobim-pitsaboana tsy miankina avo lenta. 80.000 Ar kosa ny mora indrindra amin’izany saingy mbola milahatra, antony tsy hahatakaran’ny ankamaroan’ireo Ray aman-dReny izany. Lasa miandry ireo karazana hetsika didim-poitra faobe ny ankamaroan’ny tokantrano noho izany toy ny nisy teny Talatamaty omaly. Zazalahy kely miisa 128 no nahazo tombontsoa ka ankoatra ny fandidiana izay efa maimaim-poana dia mbola notolorana kilalao sy malabary ary bisikoitra ihany koa izy ireo. Tao amin’ny Espace La Gaiete no nanatanterahana izany, zazalahy kely avy amin’ireo Fokontany miisa 12 manodidina. Natao tamin’ny fomba amerikana ny fandidiana nosahanina dokotera miisa 5. Tanjon’ny Ben’ny tanana Elie Dominic moa ny hanamaivanana ny fahasahiranan’ny Ray aman-dReny indrindra amin’izao ankatoky ny fankalazana ny faha-64 taona niverenan’ny fahaleovantena izao.
Pati
Legende : Ny Ben’ny tanana Elie Dominic nanome kilalao sy nanotrona ireo zazalahy kely nodidiana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT