Fahasalamana

Didim-poitra faobe Miala any koa ny fomba Tiorka


  • Talata 16 Mey 2017

Mirotsaka an-tsehatra amin’ny fanaovana didim-poitra faobe eto amintsika ry zareo Tiorka. Zazalahy kely miisa 2.000 no ezahina hahazo tombontsoa manerana an’Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina ka miisa 600 hatramin’ny omaly ireo efa vita. Amin’ny fomba Turc no hanaovana ny fandidiana.

 

 Asiana anéstegie ilay faritra didiana sy ny manodidina azy ka afaka 15 minitra vao mandalo fandidiana ilay zaza. Fonosana ny fery aorian’izay ka afaka indray andro vao alana dia mijanona hatreo ny fikarakarana. Tsy misy ra ny fery, hoy Andriamatoa Unal Omer, solontenan’ny fikambanana Diversity Farklilik manao ny asa sady tsy misy atahorana. Noraisin’izy ireo an-tanana ihany koa ny sakafo marainan’ireo ray aman-drenin’ny ankizy nodidiana niampy ny akanjo sy ny kilalao natolotra ilay zaza. Anisan’ny nahazo tombontsoa tamin’izany ireo mponina avy ao Antehiroka.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT