Fahasalamana

Diabeta tsy voatsabo Mety tsy mampiteraka, mahavoa ny AVC


  • Zoma 16 Novambra 2018

Aretina misoko mangina ny diabeta amin’ny ankapobeny ka tsy dia mahataitra ny olona firy. Rehefa tena mihombo sy mahazo vahana ao anatin’ny vatana anefa izy io dia mety tsy hampiteraka, mety hahavoa ny AVC ihany koa.

 

 

 

 Manginy fotsiny ny aretin’ny voa  izay tena atahoran’ny olona tokoa. Mahatratra 250.000 Ar mantsy raha kely ny manao dialyse indray mandeha  ho an’ny olona marary voa iray  izay tsy maintsy hatao in-telo isan-kerinandro raha te ho velona. Fanoloana ilay ra tsentsin’ny menaka sy ny siramamy no hatao amin’izany mba hahafahan’ireo voa roa miasa ara-dalàna toy ny teo aloha indray. Betsaka ireo olona tonga nidodododo nitily maimaimpoana ny tahan’ny siramamy tao anatin’ny vatany nanomboka omaly alakamisy. Anisan’ireny ny teny amin’ny Centre médical Marie Stella Analamahitsy izay marihina fa manatanteraka fitiliana sy fizaham-pahasalamana maimaimpoana hatramin’ny faran’ny taona. Lohahevitra noraisin’ny OMS tamin’ity taona ity hoenti-miady amin’ny diabeta moa ny fampandraisana anjara ny fianakaviana ka anisan’ireny ny fahaizana manabe ny ankizy mba hahay hisakafo ara-pahasalamana sy hitaiza vatana hisorohana ny aretina.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT