Fahasalamana

Diabeta 30%n` ireo marary no tsy maharaka fitsaboana


  • Alatsinainy 10 Aogositra 2020

70 hatramin` ny 100 isan-andro no olona tonga manao fizahana ara-pahasalamana mandritra ny firongatry ny aretina Covid 19 eny amin` ny AMADIA, toeram-pitsaboana ny diabeta.

 

Araka ny tatitra hatrany dia betsaka amin` ireo marary anefa no tsy maharaka ny fitsaboina hatramin` ny farany (rupture de traitement) satria dia tsy maharaka ny fitsaboana araka ny tokony ho izy ny 30%n` ireo marary. “Antony roa no mahatonga izany: voalohany, ny fahasarotana eo amin`ny fitaterana; faharoa, miha sahirana ara-bola ny vahoaka dia tsy afaka mividy fanafody” hoy ny mpitsabo eny amin` ity toeram-pitsaboana ity. Nambaran’ny dokotera Haja Ramamonjisoa moa fa tena misy tokoa ireo olona voan’ny diabeta saingy tsy mahalala izany toe-tenany izany raha tsy taorian’ny fitiliana nataony. Mba ho fiarovana amin’ny mety hiparitahan’ny tsimok’aretina mandritra ny fitiliana ary dia nisy ny fitaovana sy ranom-panafody natolotry ny fikambanana Lions Club Antananarivo ho an’ny AMADIA ny faran’ny herinandro teo. Tanjona ny hahafahana manadio ny toerana avy hatrany aorian’ny fandraisana ireo olona tonga manao fitiliana ho tombontsoan’ny besinimaro. Tsara ho marihana fa misy vokany ao anatin` ny fotoana fohy na ihany koa amin` ny fotoana maharitra ny tsy fanaoavna fitsaboina araka tokony ho izy. Mety hitarika fahasimban’ny voa, ny maso ary ny tongotra izany, hoy hatrany ny fanazavana. Marihana fa azo tsaboina tsara ny aretina diabeta indrindra ho an` ireo mitondra ny tsimok` aretina Covid 19. Fanatonana toeram-pitsaboina ara-potoana sy fanarahana toromarika avy amin` ny mpitsabo no takiana amin` izany.

Marigny A. sy Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT