Fahasalamana

Dia an-tongotra voalanjalanja Tena mahasalama sy misoroka aretina


  • Talata 15 Janoary 2019

Anisan’ny misoroka aretina maro ny fanaovana dia an-tongotra isan’andro. Anisan’ireny ny aretina diabeta izay mamono olona marobe tokoa maneran-tany, ny hatavezana diso tafahoatra, ny aretin’ny tosidra …

 

  Amin’ny ankapobeny dia manodidina ny ora iray eo ho eo no tokony hanaovana azy isan’andro ho an’ny olona iray   raha 30 minitra  kosa  farafaharatsiny.  Misy mahatratra ora telo isan’andro amin’izao raha kely ny dia an-tongotra ataon’ny olona iray vokatry ny fitohanana etsy sy eroa. Lohalaharana amin’izany ireo mponina mody eny Itaosy, Analamahitsy…. 45 minitra isa-maraina ny dia an-tongotra tsy maintsy hataon’izy ireny hivoahana ireo faritra be fitohanana vao afaka mandray taksibe handeha hamonjy asa sy fianarana.  Mety mahatratra ora roa izany amin’ny hariva noho ny tsy fisian’ny fitaterana miainga avy any Analakely ka tsy maintsy dia an-tongotra avokoa ny hamonjena fodiana, indrindra fa rehefa avy ny orana. Tena mandreraka ny vatana anefa izany, hoy ny dokotera iray satria mety hatoritory foana ilay mpiasa na mpianatra rehefa tonga any amin’ny toerana alehany. Ankoatra izay dia mora voan’ny tazo  ihany koa izy ireny satria rera-dava, indrindra fa ho an’ireo tsy ampy sakafo.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Mpox eto Madagasikara
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tafakatra 2139 ny tranga

  • AMBOHIJAFY FENOARIVO-MANDRITSARA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Tovovavy maromaro tratran'ny ambalavelona

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

Hijery ny tohiny
FTT