Fahasalamana

Dengue An’arivony ireo marary ao Mahajanga


  • Zoma 22 Mey 2020

Raha saika any amin’ny ady amin’ny coronavirus avokoa ny mason’ny rehetra amin’izao dia fantatra fa mihamahazo vahana hatrany ny aretina Dengue ao Mahajanga.

 

 

Raha araka ny tarehimarika azo dia efa mahatratra 1 043 ireo olona mararin’ity aretina ity any an-toerana raha araka ny fanazavana nentin’ny Talem-paritry ny fahasalamam-bahoaka ao an-toerana, ny Dr Rivomalala Rakotonavalona. Na izany aza dia efa nahazo fanafody avokoa ireo marary rehetra ireo ary manaraka fitsaboana ao amin’ireo hopitalibe sy ny CSB rehetra any an-toerana. Tsiahivina moa fa tamin’ny 04 mey lasa teo no nahitana ny trangan’aretina dengue voalohany tany Mahajanga. Ho an’ny distrikan’i Fenoarivo Atsinanana kosa dia fantatra fa efa nahatratra 17 ireo olona matin’ity tazomoka ity any an-toerana. Marihina moa fa lavitra vao mahita ny tobim-pahasalamana ireo mponina any an-toerana. Ratsy dia ratsy ihany koa ny lalana, antony mahatonga ireo olona mamoy ny ainy vokatry ny tazo any an-toerana.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT