CSB MIANDRARIVO EFA TSY MISY KIDORO

Tsy avela ampiasaina ireo avy amin’ny Depiote Mily


  • Alatsinainy 11 Novambra 2024

Tsy misy kidoro hatoriana ireo mpiteraka ao amin’ny CSB Miandrarivo, distrikan’i Faratsiho

efa volana marobe izao. Matory amin’ny fandriana hazo sy ireo lambalamba matevina entina avy any an-trano ireo Renim-pianakaviana vao teraka vokatr’izany, antony nanosika ny Solombavambahoaka Ramilison Nomenjanahary lany tamin’ny anaran’ny Vovonana Firaisankina hanolotra kidoro miisa 5 ho an’ity hopitalim-panjakana iray ity. Ny mampalahelo anefa raha araka ny vaovao voaray dia misy ny baiko midina fa tsy azon’io hopitaly io hampiasaina ireo kidoro fanomezana avy amin’ny depiote Mily. Ireo assistant parlementaire nalefan’ity solombavambahoaka ity nanara-maso ny fampiasana izany kidoro izany no nahazoany ny vaovao raha araka ny resaka nifanaovany tamin’ny mpanao gazety. Malahelo mafy noho io toe-java-misy ao Miandrarivo Faratsiho io ny depiote Mily noho izany. Nambarany mantsy fa anisan’ny antony nifidianan’ny vahoakan’i Faratsiho azy ny fijerena ireo tena maharary ny mponina eny ifotony saingy izao mbola voasakantsakana izao. Nanontany tena araka izany ity depiote iray ity hoe : fampandrosoana marina ve no hatao eto amin’ny firenena sa fifanenjehana sy faminganana ny hafa noho ny fahasamihan’ny loto politika ? Nomarihiny moa fa mbola tsy fantatra mazava hatreto izay olona nanome io baiko midina mikasika ny tsy fahazoan’ny CSB ao Miandrarivo ireo kidoro miisa 5 natolony ireo.
Pati
Legende : Ny solombavambahoaka Ramilison Nomenjanahary lany tany amin’ny distrikan’i Faratsiho !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT