Fahasalamana

CSB II Andoharanofotsy Voan’ny gripa mahery ny 80 %-n’ireo marary


  • Alakamisy 15 Febroary 2018

Mirongatra hatrany ny gripa mahery eto an-drenivohitra. Raha araka ny fanadihadiana natao tao amin’ny CSB II Andoharanofotsy dia saika lasibatr’ity aretina ity avokoa ny 80 %-n’ireo marary tonga manatona. Tsy hanavahana sokajin-taona intsony fa lasibatra avokoa eny hatramin’ireo zaza menavava.

 
Raha 50 isan’andro, ohatra, ireo marary noraisin’ity mpitsabo ity isan’andro dia tafakatra 120  tamin’ny alatsinainy teo, tranga izay nomarihiny fa tena mahavariana tokoa. Misy amin’ireo marary no efa sitrana saingy mbola niverenan’ilay aretina indray. Misy koa ireo marary vaovao be dia be. Noho ny fiovaovan’ny toetr’andro no tena mahatonga ny aretina. Misy ireo mikohoka, miakatra be ny hafanany sady tsentsina ny orona. Misy koa ireo manaikitra vanin-taolana. Vahaolana aroson’ity mpitsabo ity ny fanatonana dokotera avy hatrany raha vao mahatsiaro tsy salama hisorohana ny mety ho fifindrany amin’ny hafa. Notsiahiviny manokana fa samihafa ny fe-potoana hahasitranan’ny marary tsirairay avy fa tsy mitovy.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT