Fahasalamana

CSB II Andoharanofotsy Marary 21 ahiana ho voan’ny Covid 19 ny sabotsy teo


  • Alatsinainy 26 Aprily 2021

Mbola nahatratra 39 isa ihany ireo olona tonga nanatona ny CSB II Andoharanofotsy tamin’ny Sabotsy fotoana nandalovanay teny an-toerana

 

 

  nandritra ny fihibohana. Ny 21 tamin’ireo raha araka ny fanazavan’ny medecin chef Rasamoelina Dany dia ahiana ho voan’ny Covid 19 avokoa. Mahatratra 150 isan’andro kosa ireo marary tonga manatona azy ireo amin’ny andavanandro ka ny 120 isa amin’ireo dia ahiana ho voan’ny Covid daholo ihany koa noho ireo soritr’aretina hita aminy. Na izany aza hoy hatrany ity dokotera ity dia ampy tsara ny fanafody. Vatsiana paracetamol, vitamine C, azithromycine, magne B6, zinc ary CVO avokoa izay ahiana rehetra mba hahafahana miady sy manohitra ilay aretina. Voaray an-tanana araka ny tokony ho izy avokoa araka izany ny marary. Tsiahivina moa fa amin’ny 06 ora maraina dia efa misy marary milahatra eo anivon’ity CSB II ity isan’andro izay raisin’ny dokotera avy hatrany raha mbola misy tonga ihany hatramin’ny 07 ora hariva.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT