CSB Ampanataovana Ambohidratrimo

Niantona, vao ny 40%-n’ny asa no vita


  • Alarobia 25 Oktobra 2023

Niantona tanteraka ny asa fanamboarana ny hopitaly CSB ao amin’ny Fokontany Ampanataovana,

kaominina Ambohidratrimo, distrikan’Ambohidratrimo ihany. Efa ho 5 volana izao no nisian’izany, antony mampiparitaka ny resabe eny amin’iny faritra iny izay milaza fa lanin’ny kaominina ny vola tokony hanamboarana ny hopitaly. Namaly bontana io fanasoketana azy io ny Ben’ny tanana voafidy ao an-toerana Raherimanantsoa Feno ka nilaza fa nijanona teo amin’ny fangatahana ny foto-drafitrasa ihany ny anjara borikiny tamin’io CSB vaovao io ho fanalana fahasahiranana ny mponina. Tetikasan’ny filoham-pirenena io raha araka ny fanazavany ary ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka no tena tompon’antoka amin’izany izany hoe : manatanteraka ny asa. Efa fantatra ihany koa hoy izy fa ny 40%-n’ny asa aloha no tsy maintsy hovitaina ary miandry ny 60%. Andrasana araka izany hoy hatrany izy izay mety ho fitohizan’ny asa. Nomarihiny manokana moa fa tsy mahalala na dia kely akory ny amin’ny vola hanamboarana io hopitaly io ny kaominina. Ireo mponina kosa anefa eo an-daniny efa tena sahiran-tsaina mafy ny amin’ny fotoana hahazoan’izy ireo mampiasa ny foto-drafitrasa, antony mahatonga ny resabe miparitaka etsy sy eroa mikasika izany.
Pati
Legende : Nanantena CSB manara-penitra tahaka izao ireo mponina ao Ambohidratrimo !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT