Fahasalamana

CORONAVIRUS Olona 85 arahi-maso any an-tokantranony


  • Alatsinainy 17 Febroary 2020

Tsy mikely soroka ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka amin’ny ady hatao amin’ny fidiran’ny otrikaretina Coronavirus eto amintsika.

 

 

Raha araka ny vaovao azo mantsy dia tsy misy intsony ny ahiahiana tazonina eny amin’ny hopitaly CHU Anosiala amin’izao. Misy kosa anefa ireo olona tonga eto Madagasikara avy any ivelan’i Madagasikara na nifanerasera tamin’ny olona avy any ivelany no tsy maintsy araha-maso ka mahatratra 12 izy ireo no tazonina eny Anosiala, raha toa ka 85 hafa kosa any amin’ny toerana misy azy no jerena akaiky koa. Tsy ireo olona avy any Chine ihany izy ireo raha ny fantatra fa avy any amin’ireo firenen-kafa ihany koa ary nahitana ilay soritr’aretina toy ny voan’ny gripa, manavy.... teny am-pahatongavana. Tsiahivina fa mahatratra 49.053 ireo olona voamarina maneran-tany fa lasibatr’ity aretin-dratsy iray ity. Ny 2056 dia tranga vaovao avokoa raha 1383 no efa namoy ny ainy any Chine. Mahatratra 48.548 kosa ireo olona fantatra fa voan’ity aretina ity ao Chine ka ny 1998 amin’ireo dia trangan’aretina vaovao avokoa raha 121 ireo maty vao tsy ela. Ankoatra ity firenena nipoiran’ny coronavirus ity moa dia mahatratra 505 ireo voamarina fa voa hatreto ka ny 58 dia trangan’aretina vaovao avokoa raha roa kosa no efa namoy ny ainy. Firenena 24 isa maneran-tany hatreto no efa lasibatra ahiana an’i Japon, Espagne, Vietnam...Tsiahivina moa fa tamin’ny 21 janoary lasa teo no niparitaka ity aretina ity. 500 tany ho any ny tranga vaovao hita isan’andro amin’ny ankapobeny.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT