Fahasalamana

Coronavirus Misy fiantraikany amin’ny vidin-tsolika iraisam-pirenena


  • Alakamisy 05 Martsa 2020

Nifanaraka omaly ireo firenena mpamokatra sy mpanondrana solika (OPEP) fa ezahana ny haha marin-toerana ny vidin-tsolika na dia eo aza ny fisafotofotoana maneran-tany noho ilay valanáretina Coronavirus.

 

 

 Nitotongana hatrany amin’ny 14% moa tamin’ny herinandro lasa iny ny vidin’ny solika teo amin’ny tsena iraisam-pirenena noho ny Coronavirus; hisy ny fivoriana ataon’ny OPEP any Vienne – Autriche amin’ity herinandro ity mba hikarohana ny hevitra tsy hampiaka-midina io vidin-tsolika io. Mety ho tafiditra ao anatin’ny fepetra horaisina ny fampihenana ny famokarana solika amin’izay tsy mitotongana ny vidiny.Tena nihena be mantsy ny fanjifana solika maneran-tany noho ny Coronavirus satria nihena ny fividianan’ny Sinoa solika ary izy dia anisan’ny mpanjifa solika betsaka indrindra maneran-tany. Nihena ny fihodinan’ny ozinina sy ny fifamezifezena tany Chine ka izay no antony nampihena ny fividianany solika, ary tsy tany ihany fa tamina firenena hafa ihany koa izay misy ity valan’aretina ity. Manara-maso akaiky io fivoriana hitranga any Vienne io ihany koa ny kaontinanta Afrikanina satria efa tafiditra ao Senegal sy Nizeria izao ny Coronavirus.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT