Nilatsaka ny vaovao ofisialy omaly : voan’ny Coronavirus ny Prince Albert de Monaco.Na izany aza anefa tsy misy mampatahotra ny toe-pahasalamany raha ny vaovao ofisialy nivoaka omaly.
Fantatra fa manara-maso akaiky azy ny Centre Hospitalier Princesse Grace (CHPG). Afaka manatanteraka tsara ny asany ihany izy ary mifandray tsy tapaka amin’ireo mpiara-miasa akaiky aminy.Mazava ho azy fa tsy misy fihaonana mivantana fa na antso an-telefaonina na fifampiresahana amin’ny alalan’ny tambajotra sosialy sy ny internet no atao.Ny Printsy Albert no fantatra fa olona faha folo tratry ny Coronavirus ao Monaco.
Firenena 160 amin’ny 193 no ahitana ny Coronavirus
Miparitaka hatrany ny valan’aretina Coronavirus raha ny tarehimarika maneran-tany no jerena .Firenena 160 amin’ny 193 eto ambonin’ny tany no ahitana azy hatry ny omaly alakamisy 19 martsa 2020.Miisa 242 092 (214 010 tamin’ny alarobia) ny olombelona voa ary manodidina ny 9842 no namoy ny ainy raha 84 962 kosa ireo efa sitrana rehefa notsaboina.Midika izany fa firenena 33 no mbola tsy tafiditry ny Coronavirus ary anisan’izany i Madagasikara, na dia efa ahitana io valan’aretina io avokoa aza ireo firenena mifanaiky sy manodidina azy tahaka ny Nosy Maorisy, Seychelles, Mayotte, La Réunion, Afrika atsimo.Nanamafy ny fepetra noraisina mba hisorohana ny mety fidiran’ny Covid 19 eto Madagasikara ny fitondram-panjakana ary efa nampitomboina ihany koa ny fampitaovana ireo hopitaly satria mila mivonona amin’ny zava-drehetra.Misy kosa anefa ireo olona tsy maintsy natoka-monina sy araha-maso isan’andro ka mizara roa izy ireo : misy ny any amin’ny toeram-pitsaboana, misy koa ny any an-tranony.Mitovy ny fepetra mihatra amin’ireo : samy tsy mahazo mivoaka sy tsy mahazo mifandray amin’olon-kafa, afa-tsy ny mpitsabo sy ny iraky ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka ihany. Mipetraka ihany anefa ny fanontaniana hoe : azo antoka 100% ve fa tena voara-maso tsara tokoa ireo olona lazaina fa mitoka-monina any an-tranony ?
Banky foibe Eoropeanina:Namoaka vola 750 miliara euros
Nanapa-kevitra ny hamoaka volabe mitentina 750 miliara euros omaly ny banky foibe Eoropeanina (BCE).Izany no natao dia mba hisorohana ny mety ho faharavan’ny “zone euro” na ireo firenena ao eoropeanina mampiasa ny vola tokana Euro.Efa tena miantraika mafy amin’ny toekarena mantsy ny Coronavirus satria ireo firenena sokajiana fa avokavoky ny toekarena eoropeanina toa an’i Allemagne, France, Italie, Espagne dia tena voa mafy ary voatery manao fandaniam-bola mihoatra ny voasoratra ao anatin’ny tetibolam-panjakana tsirairay avy any amin’izy ireo.Tsy maintsy misy akony eo amin’ny toekarena izany ka izay no mahatonga izao fandraisan’andraikitry ny BCE izao.Anisan’ny ampiasaina amin’ny fandoavana trosa io vola io ka hatramin’ny faran’ny taona 2020 no hanaovana izany.
Espagne : 200 no maty tao anatin’ny iray andro
Niakatra ambony ny tarehimarika any Espagne, olona 200 no matin’ny Coronavirus tao anatin’ny iray andro.Anisan’ny firenena tena voa mafy aorian’i Chine sy Italie i Espagne : 17 000 mahery ankehitriny no voan’ny Coronavirus ary efa mihoatra ny 700 ireo maty araka ny tarehimarika navoakan’ny ministeran’ny fahasalamana any an-toerana.
Miroborobo ny “vente en ligne”
Nanapa-kevitra ny hampiditra mpiasa vaovao 100 000 i Amazon, ilay orinasa laharana voalohany amin’ny “vente en ligne” na ny famarotana entana amin’ny alalan’ny internet fantatra bebe kokoa amin’ny hoe e-commerce.Tsotra ny antony : mihazakazaka be ny serasera sy varotra amin’ny internet satria tsy afaka mivoaka firy ny olona noho ny fepetra noraisina firenena maro mba hisorohana ny fiparitahan’ny Coronavirus.Ho an’ny any Belgique ohatra izao dia nitombo 40% ny kaomandy voarain’ny Amazon.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.