Fahasalamana

CORONAVIRUS MANERAN-TANY MANANIKA NY 20 000 NY MATY


  • Alakamisy 26 Martsa 2020

19 784 ny olona maty, 451 355 ny voa, 112 982 ireo sitrana, raha ny tatitra maneran-tany

 

voaray omaly tamin’ny 9 ora alina. Olona manodidina ny 3 miliara eto ambonin’ny tany no nanaovana antso avo mba tsy hivoaka ny trano (confinement), ka isan’ny tena ahitana izany ny firenena manodidina ny 70 eo ho eo. Misy ireo fanjakana namoaka didy fa an-tery io, ka isan’izany i Inde, isan’ny be olona indrindra.

 

 ITALIE

683 no maty tao anatin’ny iray andro

 

683 no maty tao anatin’ny 24 ora monja, ary 7503 ny fitambaran’ny maty hatramin’ny omaly, rah any tatitry ny Protection civile any an-toerana, izay fitomboana 10% eo tao anatin’ny iray andro. Isan’ny nahitana fiakarana be ny taham-pahafatesana tany Lombardie ivon’ny aretina any Italie, izay nisy fitomboana 7%, ka tafiakatra 4474 ny maty. Tafiakatra 74 386 ny tranga efa voamarina, izay ambanin’ny 8% ny fivoarany na izany aza.

 

FRANTSA

Mihoatra ny 70 taona ny  86% n’íreo maty

 

1331 ny maty tany Frantsa izay saika tany amin’ny hopitaly raha ny antontan’isa farany omaly, ka ny 86% tamin’ireo dia nihoatra 70 taona avokoa. 231 no maty tao anatin’ny 24 ora. Mahatratra 25 233 ny voa, ka ny 11 539 any amin’ny hopitaly, ary ny 2827 amin’ireo dia ao amin’ny sampana fameloman’aina. Ny 1/3 amin’ireo 2827 ireo dia latsaky ny 60 taona, ary ny 59% eo anelanelan’ny 60 hatramin’ny 80 taona, araka ny tatitry ny Tale Jeneralin’ny fahasalamana Jérôme Salomon.

TRANGA HAFAKELY:

Niala tao an-trano, tra-tehaka niray tao anaty fiara

 

Tao anatin’ny fanaraha-maso nataon’ny zandarimaria mihitsy ireto mpifankatia ireto no tra-tehaka teo am-panaovana firaisana ara-nofo tao anaty fiara tany Haute-Garone any Toulouse. Tsy nanaja ny fitsipika tsy tokony hivoahana ny trano. Ny 23 martsa teo no nisehoan’ity tranga hafakely ity, saingy omaly, vao tena nivoaka sy niteraka resabe teo amin’ny tontolon’ny fampahalalam-baovao Frantsay. Nampandoavina lamandy 135 Euros moa ireo mpifankatia ireo.

 

 

 

 

ROSIA

Niteraka adihevitra be ny fahafatesana beantitra roa

 

 Isan’ireo firenena nandray fepetra hentitra hisorohana ny coronavirus ny Filoha Rosianina Vladimir Poutine. Isan’izany ny safidy hoe: na mijanona 15 andro ao an-trano, na mivoaka dia migadra 5 taona any am-ponja. Teo ihany koa  ny fametrahana camera de surveillance 100 000 isa. Olona roa efa nahazo taona satria 73 sy 88 taona no maty tao Moscou omaly, izay voalaza fa nisy tsimok’aretin’ny Coronavirus, araka ny fanazavan’ny manam-pahefana ara-pahasalamana, saingy ambara fa mety tsy antony tena voamarina fa nahafaty azy ireo. Voamarina fa tratry ny “pneumonie” sy pathologies concomitants” izay ireo, hoy ny Minisiteran’ny fahasalamana any an-toerana. Amin’izao dia tsy mbola misy maty voamarina fa Coronavirus no nahafaty azy tany Rosia, hoy ny fanjakana.

Nangonin’I Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Mpox eto Madagasikara
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tafakatra 2139 ny tranga

  • AMBOHIJAFY FENOARIVO-MANDRITSARA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Tovovavy maromaro tratran'ny ambalavelona

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

Hijery ny tohiny
FTT