Fahasalamana

Coronavirus


  • Talata 03 Martsa 2020

Miha hita amin`ny fiainan'izao tontolo izao ny voka-dratsiny Manodidina ny 3 000 ireo namoy ny ainy vokatry ny aretina “coronavirus” ka 42 tamin`ireo dia maty omaly.

 

 

Haut du formulaire

Bas du formulaire

Na dia efa ahitam-bokatra aza ny fanafody fanefitra any Sina dia mbola mandripaka ny COVID-19 any amin`ny firenen-kafa. Ny alahady lasa teo, nitombo isa ireo nitondra ny tsimok`aretina tany Italia, tafiakatra 1 700 ary 34 no namoy ny ainy. Izao indray dia nahafaty lehilahy iray 70 taona tany Etazonia. Raha tsiahivina, vehivavy iray avy nivahiny tany Iran no nahitana ny tsimokaretina tany Etazonina ka taorian`izay tafiakatra 70 isa izy ireo no nozahana manokana. Any Korea Atsimo no firenena faharoa tena voan`ny COVID 19 aorian`i Sina. Miisa 4300 ireo mitondra azy ankehitriny ka 26 ireo namoy ny ainy. Ankoatra izay, roa no namoy ny ainy tao Frantsa raha 130 ireo nahitana trangan’aretina. Miha hita amin`ny fiainan'izao tontolo izao ny voka-dratsiny satria misy fiantraikany eo amin`ny sehatra maro, indrindra ny toekarena eran-tany.

Mihemotra ireo lalao iraisam-pirenena

Voakasiky ny coronavirus koa ny fanatanjahantena. Mikorontana tanteraka ireo tetiandron`ny fifaninanana iraisam-pirenena maro toy ny fiadiana` ny tompondakan`ny “moto” any Qatar ny 8 martsa izao. Naato ihany koa ny “Grand Prix moto de Thaïlande » amin`ny 22 martsa ho avy izao. Andrasan`ny besinimaro ihany koa ny fiadiana` ny amboara eo amin`ny baolina kitra ao Eoropa (EURO 2020), izay hotontosaina ny 12 jona hatramin`ny 12 jolay ho avy izao any Italia. Ity farany anefa voasokajy ho faritra mena noho ny COVID 19. Andrasana ihany koa ny fanapahan-kevitra horaisin`ny kaomity olympika mahakasika ny lalao olympika izay hatao any Tokyo Japana ny 24 jolay ho avy izao.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT