Niampy olona 9 vaovao ny voamarina fa mitondra ny coronavirus, izay nandeha tamin'ny sidin’ny Air France AF 934 avokoa, ka ny ankamaroany dia ny 19 martsa, ary ny iray tamin’ny 17 martsa,
raha ny fanazavan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina omaly. Efa voaray an-tànana sy arahi-maso eny amin’ny toeram-pitsaboana. Tsy misy na dia iray aza namoy ny ainy. Miara-miasa tanteraka amin’ny Institut Pasteur de Madagascar IPM, izay eo ambany fiahiana sy fanaraha-mason’ny OMS. Tsy misy zavatra afaka hafenina, fa avy any amin’ny IPM avokoa ny valiny.
MITSANGANA NY FOIBE HAMOAKA NY ANTONTAN’ISA
Ho fanatanterahana ny tapaky ny filankevitry ny minisitra notarihin’ny Filoham-pirenena, dia nisy ny Fivorian’ny OMC-NAT (Organe Mixte de Conception National) dia efa mitsangana ny centre opérationnel covid-19, manana ny foibeny eny amin'ny MBC na ny Mining Business center Ivato. Miainga ao avokoa manomboka anio ny antontan’isa rehetra manodidina ny valanaretina coronavirus. Io no handrindrana ny fitantanana, hamoaka ny isan’ny marary, ny tranga,… Hatao anaty mangarahara tanteraka izany, raha ny fampitam-baovao. Tokony ho mailo sy hitandrina hatrany anefa. Hiresaka sy hifampitafa isan’andro amin’ny 8ora alina amin’ny alalan’ny TVM. Hiara-hiatrika an’izany ao anatin’ny 15 andro.
HAVERINA HOTLIANA IREO MPANDEHA
Tsy misy mitondra ny tsimok’aretina izy ireo na iray aza araka ny fitiliana. Ho hentitra ny fitondram-panjakana amin’ny fanakorontanana saim-bahoaka. Hisy ny sazy na amin’ny tambajotra, na amin’ny haino aman-jery no mamoaka izany. Tsy maintsy amin’ny fampahalalam-baovao ofisialy ny vaovao mari-pototra. Tsy mety ary aoka izay ny fampielezana vaovao tsy marina, hoy ny Filoha. Miantso hatrany ireo tonga avy any ivelany hanaraka amin’ny antsipirihany ny Filoha. Na mifehy tena 15 andro, na mizaka ny fipariahany ka hahafatezana olona maro. Izay no hifampifehezana mba tsy hivoahana ny trano. Raha misy minia tsy manaraka izany, dia misy laharana manokana azo antsoina. Ho entitra ny fanapahan-kevitra, ary izay mandika ny lalàna, dia hoentina avy hatrany. Hampitomboina ny borigady manokana hoenti-miady amin’ny coronavirus. Hohamafisina sy haverina ny fitiliana ireo olona rehetra avy any ivelany. Mahatratra 900 mahery moa ireo mpandeha arahi-maso, raha tsy hilaza afa-tsy ireo any amin’ny Hotely eto Antananarivo, 515 any an-tokantrano ; 70 ny mpandeha arahi-maso amin’ny toeram-pitsaboana any Toamasina, ary 70 hafa arahi-maso any an-tokantrano;1 ny mpandeha arahi-maso any an-tokantrano any Nosy-Be ; 1 any Antalaha ; 1 any Mahajanga; 1 any Toliara,…
HORAISINA NY FEPETRA MAMETRA NY VIDIN’ENTANA
Hapetraka ny famatsiana vary sy menaka amin’ny alalan’ny tsena mora. Hapetraka avy hatrany ireo eto Antananarivo manomboka androany. Iarahana amin’ny prefe sy ny ben’ny tanàna. Mihantra avy hatrany ny sazy ho an’ireo tsy manaraka ny fepetra. Tsy fotoanan’ny fanararaotana izao fa fotoanan’ny fifampitsinjovana. Ho henjana ny fampiharana ny lalàna, hoy hatrany I Andry Rajoelina.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.