Fahasalamana

Concentrateur d’oxygène Misy fahasarotana ny fampidiran’ny tsy miankina azy


  • Alatsinainy 12 Aprily 2021

Olana hatrany eto Madagasikara, indrindra fa amin’ireo faritra tena be trangana coronavirus toa an’Antananarivo sy Mahajanga ny “oxygène”

 

 

 

 ho an’ny marary. Laza bizina, ary handaniana 4hetsy ka hatrany amin’ny 8 hetsy ariary ny “bouteille doxygène” teo aloha. Ankehitriny, na milaza ho efa mamokatra aza ny Fanjakana, ary ampy ny filàna, dia mbola maro ny manana olana. Hatramina filohana andrim-panjakana iray teo aloha ny faran’ny herinandro teo dia nanontany tao amin’ny tambajotran-tserasera hoe: aiza ny misy toerana afahafaha-mameno azy ireo. Toe-javatra toa maneho, fa na ny olona ambony sy ny manan-katao aza sahirana. Asa ihany koa na fifandrifian-javatra na ahoana, fa maro ny fitarainana sy fanamarihana voaray ny faran’ny herinandro teo, fa gejaina sy giazan’ny Fanjakana ny “concentrateur doxygène” nafaran’ny tsy miankina tonga tao Toamasina ny faran’ny herinandro teo. Voalaza fa halefa any amin’ireo CTC-19 vao hatsangana. Andrasana izay fandisoana na fanamarinana avy amin’ny manam-pahefana momba io, fa raha ny fanazavana, avy amina olon-tsotra, dia nihitsoka ny famoahana io karazana entana io tao amin’ny ladoany, ka izay no heverina fa antony.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT