CHU SSPA ANALAKELY

Olona 650 no nozahana fahasalamana maimaimpoana


  • Zoma 05 Jolay 2024

Sahirana ny ankamaroan’ny Malagasy. Tsy manana fahafahana ny hitsabo tena ny 70%

antony manosika azy ireny hanenjika ireo karazana hetsika fizaham-pahasalamana maimaimpoana etsy sy eroa. Nahitana taratra izany ny tetsy amin’ny CHU SSPA Analakely na ny Institut d’hygiene sociale teo aloha. Tafakatra 650 isa omaly ireo olona tonga nizahana fahasalamana maimaim-poana tao an-toerana. Ankoatra ny fitiliana ny aretina diabeta dia nisy ihany koa ny fijerena ny fidinana na ny fiakaran’ny tosi-dra, ny fitiliana homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza ho an’ny vehivavy….Noho ny fangatahan’ny maro moa hoy Dr Rakotomalala no antony nanosika azy ireo hanao ity hetsika ity. Saika any amin’ny hopitaly tsy miankina avokoa mantsy no tanterahina ireo karazana fitiliana ireo ho an’ireo tsy salama ka tsy maintsy handoavana volabe. Tsiahivina moa fa mahatratra 300 ka hatramin’ny 350 isan’andro ireo olona tsy salama tonga manatona ity hopitalim-panjakana iray ity.
Pati
Legende : Notiliana teto koa ny otrik’aretina VIH/SIDA !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT