Olona roa no namoy ny ainy tao amin’ny Hopitaly manarapenitra, fitsaboana ireo mararin’ny Coronavirus omaly.
Ny iray dia ny Dr Randriamiravonjy Daniel, 53 taona, mpitsabo ny ao amin’ny Hopitaly Kely, sy lehilahy iray 60 taona. Nalevina omaly ihany teny amin’ny fasam-bazaha ireo razana roa. Mpitsabo tonga hanao fizaham-pahasalamana¬ tao amin’ny efitra nisy azy no nahita ny Dr Daniel nisaringotra tamin’ny tadina seraoma ny tendany. Nifarimbona tamin’ity farany ireo mpiasan’ny fahasalamana nanao vonjy aina, saingy indrisy fa tsy avotra intsony. Dokotera miasa ao amin’ny Hopitaly kely izy. Voamarina fa mitondra tsimokaretina Covid-19 izy, namonjy ny hopitaly manara-penitra CHU Morafeno rehefa nahatsapa fa nisy soritr’aretina niseho taminy. Tsy namono tena fa maty noho ny aretina izy ary nandritra ny fandraisany marary no nahavoan’ny covid-19 azy, hoy ny fianankaviany. Lehiben’ny Hopitaly Kely moa ny tenany sady Filohan’ny Fikambanan’ny Zanak’i Toliara. Ilay lehilahy faharoa kosa dia notsaboina tao amin’ny CHU Analakininina ary nafindra avy hatrany tany amin’ny CHU Morafeno noho ny fiomboan’ny aretina, saingy tsy tana ny ainy. Mbola andrasana ny fanamarinana na tratry ny covid-19 izy na tsia. Mihorohoro ka mila tohana na ara-tsaina, ara-batana, ara-pitaovana,… 122 ny olona voa tao Toamasina tao anatin’ny 4 andro. Tsy maharaka ny hopitaly, ka ankoatra ny Foyer Canada izay handraisana marary, dia efa tonga ihany koa ny fampitaovana hahafahana mandray marary ao amin’ny CRJS ao Toamasina.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.