Fahasalamana

CHU-JRA Ampefiloha Nitombo avo roa heny ny toerana handraisana marary


  • Alarobia 15 Desambra 2021

Mitohy hatrany ny fanatanterahana ny Velirano faha 5 nataon'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina dia ny fahasalamana ho an'ny rehetra tsy mifidy sokajin-taona,

 hoy ny fampitam-baovao omaly. Fotodrafitrasa ho an'ny fahasalamana roa sosona no notokanana omaly 14 desambra 2021 dia ny fanitarana ny sampana vonjy aina ao amin'ny CHUJRA sy ny "salle de rééducation" eo anivon'ny Centre d'appareillage ao Befelatanana. Nampitomboina avo roa heny ny toerana handraisana ny marary ao amin'ny sampana vonjy aina ny hopitaly CHU-JRA Ampefiloha. Nampiana sy nohatsaraina ihany koa ny fitaovana handraisana ireo marary, ary notolorana “extracteurs d’oxygène” sy “moniteurs de surveillance” ity sampan-draharaha ity. Nampahatsiahy ny filoham-pirenena fa ny fitsaboana voalohany eny amin’ireny sampana vonjy aina ireny dia maimaimpoana ho an’ny marary rehetra tsy ankanavaka. Izany dia tafiditra ao amin'ny nanokanana “Fonds d’Urgence Sanitaire Nationale” nosoniavina ny volana oktobra lasa teo. Raha ny eto amin’ity sampana eto amin'ny CHU-JRA ity fotsiny no resahana dia efa maherin’ny telo arivo ny marary nisitraka izany hatreto. Nomena fitaovana harifomba isan-karazany ihany koa ny “Salle de rééducation” eo anivon'ny “Centre d’Appareillage de Madagascar” ao Befelatanana. Manomboka izao dia azo atao tsara eny anivon’ny hopitalim-panjakana ny fampianarana manetsika indray ireo ratsambatan’ny olona tsy afaka manao izany noho ny antony maro toy ny niharan’ny voina ara-batana sy ireo “paralysé” na tsy afa-mihetsika noho ny fahatapahan’ny lalan-drà.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Mpox eto Madagasikara
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tafakatra 2139 ny tranga

  • AMBOHIJAFY FENOARIVO-MANDRITSARA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Tovovavy maromaro tratran'ny ambalavelona

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

Hijery ny tohiny
FTT