Fahasalamana

CHU ANDROVA MAHAJANGA Niampy ny efitrano fandraisana ireo zaza marary


  • Alakamisy 30 Aogositra 2018

Miisa 50 isam-bolana eo amin’izao ireo zaza marary tonga manatona ny hopitaliben’Androva ao Mahajanga.

 

 

Ny 25 amin’ireo dia saika tazonina manaraka fitsaboana ao avokoa noho ny aretina mahazo azy. Ny olana anefa dia tsy ampy ary tena tsy maharaka ireo marary mihitsy ny efitrano handraisana azy ireo. Mba ho fanampiana ity CHU Androva ity ary dia nanamboatra efitrano iray fanampiny ho azy ireo ny orinasa STAR mahazaka ankizy enina. Efa nanomboka tamin’ny taona 2016 ny fiaraha-miasan’ny roa tonta ho fanatsarana ny fandraisana an-tanana ny fahasalaman’ny mpiara-belona, indrindra fa ny ankizy. Nohatsaraina koa ny toeram-pidiovana sy ny manodidina ho fitandroana ny fahasalaman’ny marary. Ankoatra ny kohoka sy ny gripa mahery moa dia anisan’ny mamely ireo ankizy ao Mahajanga ihany koa ny tazo.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT