Fahasalamana

CHRR Mère-Enfant Ambatondrazaka Nahazo fotodrafitrasa sy fitaovana vaovao


  • Alatsinainy 03 Desambra 2018

Afa-pahasahiranana tanteraka ny vahoaka ao Ambatondrazaka, ao anatin`ny faritra Alaotra Mangoro, indrindra ny renim-pianakaviana sy ny zaza satria nahazo hopitaly manokana misahana ny reny sy ny zaza (Complexe Mere-Enfant).

 

Notokanan`ny filoham-panjakana izany tamin`ny sabotsy 1 desambra lasa teo izany trano vaovao andraisana an-tanana ny reny sy ny zaza izany sady ahitana ireo fitaovana rehetra arifomba ilaina amin’izay fandraisana an-tanana ny fahasalaman`izy ireo. Misy ihany koa ireo fitaovana ilaina amin`ny fandidiana vehivavy bevohoka izay saro-piterahana. Ampifanandrifiana amin`ny zavatra ilain`ny vahoaka malagasy ny zavatra omena azy, hoy ny filoham-panjakana, Rivo Rakotovao, nandritra ny lahateniny ary tafiditra ao anatin`ny politikan`ny minisiteran`ny fahasalamana: ny amin`ny fampanenana ny taham-pahafatesan`ny reny sy ny zaza. Raha ny zava-nisy tany an-toerana teo aloha, raha toa ka saro-piterahana ny renim-pianakaviana iray dia voatery mankany any Amparafaravola satria any no misy hopitaly fandidiana. Ankoatra ireo fitaovana arifomba sy ny fanafody entina mampihodina ny hopitaly dia nanolotra “ambulance” ho an`ny CHRR ihany koa ny Fitondram-panjakana. Nohararaotina tamin`io andro io ihany koa ny fanolorana tamin`ny fomba ofisialy ny poto miisa 13 ho an`ny zandary sy ny miaramila. Nahazo ny anjarany ihany koa ny sekoly maromaro tany an-toerana satria nahazo simenitra sy tafo entina hanavaozana ireo fotodrafitrasa. Ireo fanomezana ireo dia ezaka madiodio avy amin`ny faritra Alaotra Mangoro.

 Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT