Fahasalamana

C𝗛𝗥𝗗 𝗜𝗜 𝗠𝗔𝗡𝗔𝗞𝗔𝗩𝗔𝗟𝗬 Nahazo milina mpamokatra herinaratra vaovao


  • Alatsinainy 04 Aprily 2022

Nahazo milina mpamokatra herinaratra vaovao ny CHRD II ao Manakavaly, distrikan'i Manjakandriana, Faritra Analamanga.

Ho fitandroana ny ain’ireo marary indrindra fa ireo mpiteraka mety handalo fotoan-tsarotra tampoka ateraky ny fahatapahan-jiro no anton’izany ka mety hamoizana aina. Tonga nanolotra izany tamin'ny fomba ofisialy taorian'ny Fambolen-kazo notanterahiny ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka ny profesora . Zely Arivelo Randriamanantany. Nandritra izany no nitondran’ny lehiben’ny hopitaly teny fisaorana ho an’ny Fitondram-panjakana noho ny ezaka hataony. Hanampy betsaka ity CHRD II ity amin’ny asa fandidiana izay hiantsorohany mantsy ny fahatongavan’izao fitaovana izao. Miisa 5 isan’andro eo raha kely ireo marary mandalo fandidiana eo anivon’ity hopitaly iray ity.
Pati
Legende : Nandritra ny fitokanana ilay efitrano nametrahana ilay fitaovana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

KandidĂ  miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT