Fahasalamana

Chloroquine hitsaboana Coronavirus Nankatoavin` ny fanjakana Alzerianina saingy…


  • Alakamisy 26 Martsa 2020

Nanambara ny ministeran` ny fahasalamam-bahoaka any Alzeria fa azon` ny hopitaly ao aminy ampiasaina ny fanafody “chloroquine”

 

 ahafahana mitsabo ireo tranga voamarina fa mitondra ny tsimok`aretina “coronavirus”. Na dia izany, tsy ireo mitondra ny aretina rehetra no afaka mampiasa azy fa miankina ny “protocole medical spécifique”. Ny choloroquine dia iray amin` ireo fanafody efa ela indrindra nentina niadiana ny tazo na dia misy ireo firenena aty Afrika no tsy mankasitraka ny fampiasana azy. Ity fanafody ity moa dia natao hampihena ny hafanan` ny hoditra sy ny atao hoe “inflammation”. Hatreto dia mbola tsy voaporofo 100% ny fampiasana azy amin` ny COVID-19, hoy ny Sampandraharahan’ny firenena mikambana misahana ny fahsalamana (OMS) fa misy kosa ny andrana atao amin` izao. Raha tsiahivina, 17 ireo namoy ny ainy any Alzeria, ka miisa 230 ireo tranga voamarina ka 54% dia avy amin` ny faritra Bilda, izay atsimon` i Alger, renivohitra. Marihana fa tamin` ny herinandro no nanakatona sisin-tany sy fifamezivezena ao anatiny tany Alzeria.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT