Fahasalamana

Chloroquine Eny amin`ny hopitaly ihany no mahazo mampiasa azy


  • Alakamisy 02 Aprily 2020

“Saropady ny aina ka tsy ho sasatra no hamerina fa zava-dehibe ny fanarahana toromarika indrindra ny fihibohana”,

 

 

 

hoy Tantely Rakotomalala, filoha nasionalin` ny holafitry ny farmasiana eto Madagasikara teny amin` ny CCO COVID-19 Ivato omaly. Mahakasika ny fanafody entina mitsabo ny aretina dia nilaza izy fa efa nivoaka ny didy ka afaka ampiasaina ny “choloroquine”. Nomarihany kosa fa fanafody mahery io ka ny fampiasana azy dia natokana eny amin` ny irery hopitaly ihany. Tsy natao ho fanafody ho aro-vatana ka ampiasain’izay rehetra te hampiasa azy any an-trano io fa ny dokotera eny hopitaly ihany no mampiasa azy. Nohamafisiny ihany koa fa raha toa ka misy mivarotra azy eny amin` ny toerana samihafa dia tsy ara-dalàna izany. Antony, tsy nahazo alalàna ka mety ho poizina satria tsy fantatra marina ny fihaviany. Na ireo mpampongady aza dia mila alalana na ireo farmasia aza, hoy ity filoha ity. Ankoatra izay, somary manano sarotra ny tahirin` ny aro vava eny amin` ny farmasia. Ny olana dia betsaka ireo mpamongady tsy manana tahiry intsony na farmasia aza , hoy ny fanazavana. Antony, ireo firenen-dehibe mpamokatra dia tsy afaka manondrana hany ka na mikaomandy aza  isika dia tsy afaka hanome izany izy ireo. Marihana fa ireo “Masque” FFP2 sy FFP3 no voakasika izany. Mahakasika ny “Gel Hydroalcoolique” índray dia nanambaran’ny filoha nasionalin` ny holafitry ny farmasiana fa tokony tsy olana indray izy io. Izay farmasia te hanamboatra “gel” moa dia efa nomena alalana ihany koa no sady misy mpamokatra eto an-toerana, hoy hatrany ny fanazavana. Marihana fa nasiana fanatsarana ny ora fisokafan` ireo farmasia manerana ny nosy satria fotoana tahak` izao no tena ilana azy ireo

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Mpitsabo nentim-paharazana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

«Mitaraina ho tian’ny olafitry

  • TONGA HATRANY
  • Talata 28 Aprily 2026

MAHAJANGA NY AMBALAVELONA

  • Dokotera mpitsabo biby
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Tena antoky ny fanajarian-tsakafo sy ny fahasalamana

  • Mpox eto Madagasikara
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tafakatra 2139 ny tranga

  • AMBOHIJAFY FENOARIVO-MANDRITSARA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Tovovavy maromaro tratran'ny ambalavelona

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT