Fahasalamana

Centre vonjy Befelatanana 829 ireo olona voaolana hatramin’ny fiandohan’ny taona


  • Talata 02 Novambra 2021

Tsy mitsaha-mitombo ny isan’ireo olona voaolana eto amintsika. Ireo ankizy sy vehivavy no tena mahita faisana amin’izany.

 Ankoatra ireo fianakaviana, na Raikely, na mpampiasa na olona mitaiza na sanatria jiolahy miditra an-keriny ao an-tokantrano dia fantatra ihany koa izao fa tsy mitsaha-mivoatra ny endrika hisehoan’ity fanolanana ity eto amintsika. Efa tsy tahotra sy henatra manao izany amin’ny anabaviny ihany koa mantsy ny lehilahy amin’izao ka tsy misy azo hitokisana intsony. Raha araka ny fanadihadiana natao tetsy amin’ny Centre Vonjy Befelatanana dia nahatratra 829 ireo olona voaolana hatramin’ny volana Janoary fiandohan’ny taona 2021 teto amintsika. Nahatratra 940 kosa izany tamin’ny taona 2020 , 934 tamin’ny taona 2019. Misy amin’ireo olona voaolana ireo no ankizy vao am-bolana raha misy ihany koa ireo vehivavy efa lehibe. Ankoatra ny fikarakarana sy fanohanana ara-tsaina ireo voaolana moa dia fantatra fa mandefa avy hatrany ny raharaha eny anivon’ny mpitandro ny filaminana ny Centre hahafahana manafay ireo mpanao ratsy.
Pati
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT