CENTRE MEDICAL CLAYM

Miara-miasa amin'ireo tompon'andraikitra eny ifotony hanasoavana ny vahoaka


  • Alakamisy 07 Aogositra 2025

Feno 13 taona katroka ny nisian'ny Centre Médical Claym eto amintsika.

Ankoatra ny fampitambarana ny fitsaboana mahazatra amin'ny fitsaboana mampiasa ireo karazana akora natoraly navadika ho fanafody taorian'ny fikarohana natao dia miara-miasa amin'ireo tompon'andraikitra eny ifotony koa izy ireo entina hanasoavana ny vahoaka. Lohalaharana amin'izany ireo sahirana ara-pivelomana. Tamin'ny 28 Jolay lasa teo izy ireo ohatra raha araka ny fanazavan'ny dokotera Rakotonindriana, tompon'andraikitra voalohany eo anivon'ny Centre dia nanao fitiliana maimaim-poana ny aretina hepatita izay mbola vitsy mpahalala nefa aretina tena ratsy no sady mahafaty haingana. Nankalazaina tamin'io andro io mantsy ny andro maneran-tany hiadiana amin'ny aretina hepatita. Tsy mandeha irery izy ireo mandritra izany fa manaraka ny fandaharam-potoanan'ny Sampandraharaha iraisam-pirenena momba ny fahasalamana na ny OMS. Ato ho ato indray dia mikasa hanao fitiliana maimaim-poana ny aretina homamiadan'ny vozon'ny tranon-jaza eny amin'iny distrikan'Atsimondrano iny izy ireo....Tsiahivina fa mampiteraka ihany koa ny centre. Mitsabo ireo olona manana olana amin'ny fihetsehana toy ireo tapaka lalan-dra raha toraka izany koa ireo tsy mahazo zaza. Mampiavaka ny Centre ny tsy fandidiana ireo marary misy fivontosana fa mandevona izany amin'ny alalan'ny fitsaboana hataony.
Pati
Légende : Ity ny Centre Médical Claym eny Alakamisy Fenoarivo 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT