Fahasalamana

Centre Chrétien de la Santé Mamolavola mpitsabo matahotra an’Andriamanitra


  • Alatsinainy 19 Febroary 2018

Mankalaza ny faha-50 taona nijoroany ny « Centre Chretien de la Santé » etsy Ambohidahy. Ny Sabotsy teo no nanokafana tamim-pomba ôfisialy ny fankalazana ka fantatra tamin’izany fa efa mahatratra 600 ankehitriny ireo mpikambana manerana ny Nosy raha 60 tamin’ny taona 1968 nisokafan’ny sekoly voalohany.

  Manohana sy manampy manokana ireo mpianatra ho mpitsabo ity ivon-toerana iray ity raha tsiahivina tsy manavaka finoana. Mifampitondra ho toy ny mpianakavy izay rehetra tafiditra ao amin’ny ankapobeny mifanohana sy mifanampy mba ho lasa mpitsabo matihanina sy matahotra an’Andriamanitra amin’ny asa izay sahaniny. Hananan’ity ivon-toerana ity rahateo ireo karazam-pitaovana hahafahana mamolavola ireo mpianatra ho amin’izany toy ny solosaina hahafahana manao ny fikarohana… Tsiahivina moa fa raha tsy mitana ny laharana voalohany dia anisan’ny mahafaka ankizy mpianatra betsaka indrindra ny CCS etsy Ambohidahy rehefa misy fifaninana hatao. Mbola hitohy amina hetsika maro samihafa ny fankalazana amin’ny volana Aogositra ho avy izao. Anisan’ireny ny kaonferansa iarahana dokotera manam-pahaizana maro izay hatao ao amin’ny kolejy Masindahy Misely Amparibe, ny lalao ara-panatanjahantena maro samihafa…

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT