CEG TALATAMATY

Nakatona, amin'ny Alatsinainy vao miverina mianatra


  • Zoma 21 Novambra 2025

Tovovavy kely mpianatra miisa 20 no

fantatra fa lasibatr'ilay aretina ambalavelona tao amin'ny CEG Talatamaty, distrikan'Ambohidratrimo afak'omaly Alarobia 19 Novambra. Iray no niantombohan'izany raha araka ny fanazavan'ny Lehiben'ny fari-piadidiam-pampianarana Rakotondrabe Andrîniaina nitombo ho 15 izany ary tsy nijanona raha tsy 20 isa. Tamin'io afak'omaly Alarobia io ihany dia fantatra fa efa niasana tao amin'ny sekoly, antony nanakatonana azy. Hatramin'ny anio Zoma 21 Novambra raha araka ny fanazavany dia mbola mitohy ny asa hatao eo anivon'ity CEG Talatamaty ity sy ny fanadiovana azy ho fiarovana ny mpianatra. Nomarihin'ity tompon'andraikitra ity moa fa voamarina fa tena ambalavelona no nahazo ireo tovovavy mpianatra ireo taorian'ny fidinan'ny Médecin chef nijery ny fahasalaman'izy ireo. Nitabataba, nihorakoraka, tsy mahatsiaro tena no sady nihinjitsinjitra ireo ankizy lasibatra ireo hoy hatrany ny fanazavany.
Pati
Légende : Izy no Rakotondrabe Andrîniaina, lehiben'ny fari-piadidiam-pampianarana ao.Ambohodratrimo !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT